Resaka iray isan’ny natsidik’i #Lalatiana Rakotondrazafy sy #Fidel Razarapiera tamin’ny fotoan’androny ity tantara fanadiovam-bola mikasika ny angidimby ampiasain’ny zandary malagasy ity. Tamin’izany fotoana dia mbola resaka taratasy angamba no tao an-dohan’ny maro, fa eto kosa dia ilay vahiny nanao ny fanadihadiana ifotony tany Belgique mihitsy no hitantara azy amintsika [fr].
Mipetraka ny fanontaniana hoe: tena tsy nahalala fa voafitaka ve ny #HAT tamin’izany fotoana izany, sa nahafantatra fa nanao hitsin-dàlana satria tsy maintsy miseho hoe nanao zavatra teo imason’ny vahoaka Malagasy sy #Madagascar?
